Previous Page  13 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 13 / 16 Next Page
Page Background

11

Janvier à Avril 2019

VAOVAO

COMMUNAUTÉ CATHOLIQUE MALGACHE AIX MARSEILLE

Fitsidihan’ny Mgr Goerges PONTIER ny CCMAM

Sorona Masina notarihin’i Mgr Georges PONTIER (Président de la

Conférence des évêques de France et archevêque de Marseille)

niaraka

tamin’ny

pretra

aomonie

nasionaly

Juvence

RAMANAMBITANA sy ny pretra Jean Bosco RANDRIARIMALALA,

tamin’ny alahady 18 novambra 2018 no nanamarihana izany

fitsidihanaizany. Lamesa izay nandraisan’ny mpikambana rehetra

anjara tamin’ny alalan’ny hira sy dihy fiderana.

Ny pretranay mirahalahy moa dia tsy mipetraka eto Marseille fa

manao kilometatra maromaro izy ireo vaotonga aty aminay. Vao

niandoha ny hetsika « gilet jaune » tamin’ireny fotoana ireny ka tena

nanano-sarotra ny fifamoivoizana. Nanome toromarika àry ny

aomonie nasionaly hoe atomboy ny lamesa rehefa tonga ny eveka fa

tena mihitsoka ny lalana. Nefa dia lalina ny fitantanan’nyTompo fa

dia fotoana vitsy monja ny nanelanelana ny fahatongavan’ny eveka sy

ny pretra mirahalahy. Ka dia afaka nanomboka ny sorona masina

niarakaizy ireo.

Hafaliana sy haravoana no niainanay nandritra izany lamesa izany.

Efa ela i Mgr GP no naniry hitsidika anay CCMAM ka dia tanteraka

soa amantsara izany. Mahafinaritra azy indrindra ihany koa ny

mahitany malagasy midera an’Andriamananitra amin’ny alalan’ny

hira sy dihy mandritra ny lamesa. Taorian’ny lamesa moa dia nisy

fiaraha-mialahetaheta ka samy afaka nifampiresak ataminy avokoa ny

kristianina izay tonga teo.Marihinamoa fa nanomboka tamin’ny taona

2006 izy no archevêque n’ny Marseille, ar ytamin’ny 01 jolay 2013 izy

no voafidy ho Président de la Conférence des évêques de France. Ny

alahady 30 jiona 2019 izao ny lamesa fisaorana an’Andriamanitra

tamin’ny fahavitany ny adidy niandraiketana izay ho atao ao amin’ny

Cathédrale La Major Marseille.

FiatahanaMasina

Nanao fiatahana Masina ny CCMAM tamin’ny Alahady 17 febroary

2019. Tao amin-dry MaseraTrinitera Mazargues no nanaovanaizany.

Ka ny tapany voalohany dia notarihin’i Sœur Supérieure Marie

Henriette RAZAFINDRAMANANA, ny tapany faharoa kosa dia

noraisin’i Père Juvence RAMANAMBITANA, ary nofaranana

tamin’ny lamesa ny fotoana. Ny lohahevitra tamin’izany moa dia ny

fiainana kristianina katolika. Namelombelona ny fanahy tokoa ny

vatsy azonay tamin’io fotoana io ary hoezahinay ny hanao izany in-

droa isan-taona. Hatreto mantsy aloha dia indray mandeha isan-taona

izahay no manao fiatahana masina tahaka izao.

Zaikam-paritrafaritraatsimo

Tapaka fa ny sabotsy sy alahady 15 -16 jiona 2019 izao no hanaovana

ny zaikam-paritra ka ny communauté Nice no handray izany.

Contact :

RANDRIANALIFERA Fanjamanana

0671991356

fanjachristian@yahoo.fr

Fanjamanana RANDRIANALIFERA

Mpandrindra CCMAM (Marseille)