TAHIRIN-KEVITRA
NY FAHATOKISANA VERY EFA ELA NO MAMPAHANTRA ANTSIKA TOY IZAO
3
Janvier à Avril 2019
Dradraina etsy sy eroa ny fampihavanana. Tsy fantatra
mazava tsara hoe iza no hampihavanina amin’iza ? Rafitra no
najoro dia ilay hoe : “Fampihavanampirenena”. Voadinika ao
ny famotsoran-keloka sy fanonerana ny fananan’ireo mpanao
politika potika tamin’ireny fihetsiketsehina nisy tao an-
tanindrazana ireny (2002, 2009…). Tsy misy resaka vahoaka
izay nampahantraina, mandry andrin’antsy noho tsy fisian’ny
fandriampahalemana. Navela toy ny zaza tsy misy mpiahy,
ka zary
kamboty mievina, ka “afa-drofin’ny tenany ihany”
Tsy
misy resaka fieken-keloka sy fahadisoana ka nahapotika ny
Firenena tahak’izao. Mifanasa vangy indray aza na
mandranitra adim-poko ny sasany.
Na dia tsy lavorary fa mbola nisy ny lesoka mila hatsaraina,
dia azo lazaina fa iny fifidianana Filohan’ny Repoblika farany
teo iny no fifidianana voalohany nandeha ara-dalàna
(Fihodinana voalohany ny Alarobia 07 Novambra 2018, ary
ny Fihodinana faharoa ny Alarobia 19 Desambra 2018). Ny
Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) no
namoaka ny voka-pifidianana. Tsy ny Ministeran’ny Ati-tany
intsony no mikarakara sy mandrindra ary manomana ny
fifidianana fa ny CENI na Commission Electorale Nationale
Indépendante – Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana
ny Fifidianana izay nijoro araka ny Lalàna laharana 2015 -020,
lany tao amin’ny Antenimieram-pirenena ny 08 Oktobra 2015,
ary navoaka hanan-kery ny 19 Oktobra 2015, ny Didim-
panjakana fampiharana laharana 2015 – 1404, ny Lalàna
fehizoro laharana 2018 – 008 mikasika ankapobeny ny
fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, fenoin’ny Lalàna
fehizoro laharana 2018 – 009 mikasika ny famoahana ny voka-
pifidianana Filohan’ny Repoblika. Rafitra mahaleotena ary
manana ny teti-bolany manokana ny CENI. Mbola vao
manomboka miasa ka mety misy ny fitavozavozana kanefa
toa talaky mandeha ihany. Avoakantsika etsy ankilany ny
tarehimarika tsara ho fantatra momba iny fifidianana
Filohan’ny Repoblika iny. 36 no kandidà nilatsaka ho fidina
nefa 5 angamba raha be indrindra no tena nanao fampielezan-
kevitra.
Leom-boan’anana
Betsaka izay fampanantenana nataon’ireo mpanao politika
ireo izay, ka tsy manana fitokisana intsony ny vahoaka
Malagasy tao anatin’ny 60 taona nahaleovan-tena izay. Tsy
dia hita foana ny vokany, ny asa vita. Ny vahiny toa mitavana
tanteraka ny harem-pirenena, na ny mpitondra manao izany
ho fiarian-karem-pianakaviana. Moa và tsy tantely afa-
drakotra, na paiso ao ankady. Lasa toy ny fary ny mpitondra
ka ny lohany indray no matsatso. Tsy niomana fa
kisendrasendra no nahatongavana eo amin’ny fitondrana,
noho fihetseham-bahoaka an-dalambe. Misy hatrany ny aina
nahafoy, fa dia volan-kakafotra ny fiainam-bahoaka ka ny
omaly tsy niova ihany. Mikoroso fahana indray aza. Leom-
boan’anana tanteraka ka raha 9 913 599 no isan’ny Malagasy
mpifidy voasoratra anarana ny taona 2018 dia 4 767 342 no
nandeha nifidy izany hoe 48,09 % ny taham-pahavitrihana.
Ny nandresy nahazo vato 2 586 938 na 55, 66 % tamin’ny vato
manan-kery fa 26, 10 % fotsiny amin’ny isan’ny mpifidy
nisoratra anarana. Tena ambany be izany ho antsika aty
amin’ny tapany atsimo satria vao misandratra eo amin’ny
atao hoe demokrasia. Midika ihany koa izany fa misy ny
fahalalahana, ary tsy misy intsony irony hala-bato goavana
irony, ka tsy latsaka ny 80 na 90 % ny isan’ny mpifidy sy ny
vaton’ny kandidà mandresy.. Koa sanatria ve ilay fitiavan-
tanindrazana toa maty mangina toa otrik’afo, na ilay vahoaka
lasa atody tsy miady amam-bato. Teo amin’ny fampielezan-
kevitra farany teo dia nampiditra voambola sahy ny kandidà
Andry RAJOELINA ka niteny hoe tsy “fampanantenana no
ataoko aminareo fa velirano”. Nampiova jery politika ve
izay ? Nitondra fitokisana ve io teny “velirano” nampiasaina
io ? Ny ho avy no hilaza izany. Ao ny hoe
ny bainga mivadika
no vavolombelon’ny mpiasa
. Tsy misy ny fanantenana raha tsy
miverina fitokisana. Izany anefa dia miankina amin’ny atao
no hita. Miverina ny farisihana rehefa misy ny ohatra
asehon’ny mpitondra. Tsy ho mpitazana na mpitan-damba ny
vahoaka fa tena ho mpiray antoka, satria ny afo lavitra tsy azo
amindroana. Te ho Malagasy ny Malagasy ka tsy ho vahiny
an-tanindrazana, na tompony mangataka atiny. Ambara foana
tsy misy mpampiasa vola vahiny ho avy ao amintsika raha tsy
misy fitokisana. Tsy ny toe-karena ihany anefa fa ny politika
koa dia mila fitokisana sy fifampitokisana raha tsy izany dia
zava-poana. Fa inona tokoa no mahatonga ny tsy fitokisana ka
nolazaintsika fa mampahantra tahak’izao ?
Miteraka tebiteby ny zava-misy iainana ara-piaraha-monina
amin’izao. Mandemy saina, manimba fanantenana dia tsy
mamokatra.
Tebiteby
Mitebiteby lava toy ny sahona am-bodiriana. Ny ho hanina
anio tadiavana anio. Midangana be ny vidim-piainana,
Isan’ny soatoavina andrin’ny Fihavanana ny fahatokisana. Efa very io ao an-tanindrazana ka tsy misy intsony
fifampitokisana eo amin’ny fiaraha-monina. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany fahavereziny izany ny
mpanao politika satria nandiso fanantenana ny vahoaka.Vao avy nifidy Filoham-pirenena isika teo, 19 Desambra ny
fihodinana faharoa ary hifidy Solombavambahoaka indray ny Alahady 27 May. Ho tafaverina ve ny
fifampitokisana ? Fanadihadiana.