TENA MANANA KOLONTSAINA TETEZAMITA VE
ISIKA MALAGASY ?
4
OlomBaovao N°117
Raha vao miresaka tetezana dia fiampitàna no ao an-tsaina
voalohany. Misy ny sakana toy ny renirano na hadivory. Ny
tetezana izany dia fitaovana enti-mita miala amin’ny toerana iray
mankeny amin’ny toerana iray hafa. Mety ho taza-maso ireo toerana
roa ireo, no mety tsy taza-maso koa. Izay ilay hoe : mitsinjo ny ho
avy. Ho an’ity farany ity izany dia tena lavitra tokoa ny fiampitàna.
Ny fitaovana iray misolo tetezana koa dia ny lakana, teo amin’ny
Malagasy. Mbola maro be moa ny “baka” fiampitana renirano any
amintsika noho ny tsy fahavitana tetezana. Ary io lakana io no tena
nalain’ny Malagasy ho anatra fitaizana. Aza mitsipa-doha ny laka-
nitàna. Tadidio hatrany ireo nahitana soa, nahatafita ny tena.
Tandremo ny mamadika na manao tsinontsinona azy ireny. Ny ray
aman-dreny voalaza fa laka-nitana ho an’ny zanaka. Izay indray ilay
hoe : tafita.
Endrika faharoa ao an-tsaina momba ny tetezana dia mety ho
fanatsarana ny tanàna, toa lalana avo toerana manamora ny
fifamoivoizana, ny fifaneraserana. Hitantsika izany aty amin’ny tany
mandroso. Miainga eo izany isika amin’ny fanoharana isan-
karazany. Ny kristianina moa zatra fanoharana, fa ny Malagasy koa
mankafy izany fomba fitaizana izany ho fampitàn-kevitra. Ny
ohabolana isan’ny sampana iray amin’izany. Zava-dehibe izany ny
tetezana ary tena ilaina fa tsy tandrametaka. Mipetraka maharitra
koa izany ny tetezana fa tsy resaka vonjimaika.
Kolontsaina tetezamita
Nosimbantsika tanteraka ny hevitra hoe tetezamita. Hany ka tsy
mety tafita. Tsy ao intsony ilay hevitra fiampitàna fa zary mijanona,
mihitsoka eo ambony tetezana. Mitera-doza anefa izany satria mety
latsaka any anaty rano, any anaty hady. Eo amin’ny fitsipiky ny
fifamoivoizana dia tsy azo atao mihintsy ny misongona rahefa
hiditra tetezana, na efa ambony tetezana. Hajaina koa ny vesatra
voatondro zakan’ny tetezana. Noho ny hamafin’ny tondra-drano dia
tapaka ny tetezana. Soloina tetezana vonjimaika izany mba tsy
hikatso ny fiainan’ny olona. Nefa eto koa zara tetezana
tandrametaka no atao dia tapaka indray. Ny firenena manana na
koloina mba hanana kolontsaina tetezamita dia mahatsapa fa tena
fiampitàna tokoa ny tetezana fa tsy toerana fijanona. Ny kolontsaina
tetezamita dia toe-tsaina misoroka ny mety loza mitranga, miomana
amin’ny fananganana ny metimety hatrany. Manao soroka miara-
milanja, tongotra miara-mamindra, na tsy mitovy hevitra tanteraka
aza, satria ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Misy miseho mahay
milomano ao anaty renirano feno mamba. Soa iombonana no
katsahina voalohany
Tetezamita politika
Ny tetezamita politika teto amintsika dia fanaovana tandrametaka.
Vokatry ny fisavoritahana politika. Ka tsy manomana ny tena
demokrasia dradradradraina etsy sy eroa. Hikatsahana ny soa
iombonana Samy maka ho azy, hany ka tetezana vonjimaika,
tandrametaka. Fifandaminan’ny samy mpanao politika. Tsy mitsinjo
taranaka mba ho fiampitàna ho an’ny tsaratsara kokoa.
Fifandimbiasam-pahefana dia lasa valifaty tsy mety vita fa tsy
fifidianana mangarahara. Lany fotoana. Efa ho 60 taona nahaleovan-
tena fa ny an-tsasaky ny mpitondra teo dia tsy olom-boafidy, tsy
niomana, fa vokatry ny fidinana an-dalam-be, kajikajy politika sns..
Tetezamita ekolozika
Manomana ny vahoaka iray manontolo fa ny fivadibadihan’ny
toetr’andro amin’izao fotoana izao dia vokatry ny asan’ny
olombelona. Gorobaka ny tafotrano be iombonana (
atmosphère
) ka
tsy mirindra voajanahary intsony fa mamely mafy ny hafanana avy
amin’ny masoandro na mihinana ila. Ilay mpanafana voajanahary ny
tany. Vokatry ny entona be loatra isan-karazany izany. Tsy fanajana
ny tontolo iainana. Mila tena kolontsaina tetezamita izany ho
fisorahana mba ho fiarovana ny olona sy ny fananany. Ny mponina
rehetra no arovana.Mila rivotra madio. Fikajiana ny lova sarobidy
voajanahary ananantsika Malagasy. Toy ny ala sy ny zava-boahary
isan-karazany, harena an-kibon’ny tany, ny biby maro samihafa.
Mila kolontsaina manomana, mitaiza ny mponina rehetra. Manazava
izany tsara ireo lahatsoratra hafa ato anaty gazetintsika. Mahay
mitsinjo lavitra ny Malagasy ka izay no tokony ho kolokoloina. Ny
hazo vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara, hoy ny fiteny.
Mifampiankina izany ny an-drano sy ny an-tanety, ny lakana sy ny
hazo. Ka aza tapatapahina ny ala hanaovana “tavy”. Vary sy rano e.
Ilaina tokoa araka izany ny kolontsaina tetezamita satria sady
mampianatra ny olona miatrika ny ho avy noho ny fiovana hitranga,
sady fisorahana ny mety fanimbana ny tontolo iainana na politika
izany na ekolojika. Izany no miantoka ny fampandrosoana. Ny
resaka kolontsaina tetezamita dia tsy kilalao politika fa
mampifandray ny fampandrosoana ara-toe-karena, ara-
phasalamana, ara-piaraha-monina, ara-toe-tsaina. Aoka izay ilay
kolontsaim-pako mitondra rivotra maloto sy fako, hoy ny Pape
François ao amin’ny
Ansiklika
nosoratany
“
LAUDATO SI
” ny 24 May 2015, fa ny
toetr’andro dia fananana iombonana avy
amin’ny rehetra, ho an’ny rehetra (n° 23).
Voateny foana ity resaka « Tetezamita » ity teo amin’ny voambolana politika. Toa zary lasa fomba nahazatra ka sarotra ialana. Nisy ny
leo ka nilaza fa tetezamitatra fa tsy tetezamita intsony. Fa ny resaka mandeha eran’izao tontolo, efa ho roapolo taona izao, ary tsy diso
anjara amin’izany indray ny Malagasy, dia ny hoe : “TETEZAMITA EKOLOZIKA”, paik’ady enti-miady iarovana ny tontolo iainana.
Fanajariana sy fiarovana ny zava-boahary eo anoloan’ny fiovan’ny toetr’andro. Resaka politika indray ve io, sa tena mba zava-dehibe.
Tena manana Kolontsaina tetezamita ve isika Malagasy ? Fandalinana.
ELIASY Liva