VÊPRES

Vendredi 10 Mai 2024

Vêpres (n.f.plur) : Cérémonie religieuse (catholique) célébrée l’après-
midi

Vêpres

Introduction

Mpitarika : Andriamanitra ô, avia ampio izahay
Rehetra : Eny, Tomponay ô, faingàna hamonjy anay

Mpitarika : Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny
Zanaka sy ny Fanahy Masina
Rehetra : Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary
mandrakizay. Amen. Aleloia !

Antsa

Miantso anao ‘zahay, ry Tompo

Miantso Anao ‘zahay, ry Tompo
Fa mitady ny Fanahy hanavao ny taninay e,
Izy rivotra mahery mampijoro sy mandavo
Ka matahotra izahay sao alavony tokoa
‘Zay naorinay rehetra

Tebitebinay rehetra ‘zany tanisaina izany e
Koa aza esorina aminay ny Fanahinao ry Tompo ô
Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao
Hisantaranay sahady ô ‘zany fiadananao

2. Miantso Anao ‘zahay, ry Tompo,
Fa mitady ny Fanahy hanavao ny herinay,
Izy rano manan-kery hitondra aina sy handrava
Ka matahotra izahay sao ho ravany tokoa
Zay mba nianteheranay

Tebitebinay rehetra ‘zany tanisaina izany e
Koa aza esorina aminay ny Fanahinao ry Tompo ô
Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao
Hisantaranay sahady ô ‘zany fiadananao

3. Miantso Anao ‘zahay, ry Tompo
Fa mitady ny Fanahy hanavao ny tenanay:
Izy afo manan-kery fa mandoro sy mandio
Ka matahotra izahay sao levoniny tokoa
Ny fitiavan-tenanay

Tebitebinay rehetra ‘zany tanisaina izany e
Koa aza esorina aminay ny Fanahinao ry Tompo ô
Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao
Hisantaranay sahady ô ‘zany fiadananao

4. Miantso Anao ‘zahay, ry Tompo,
Fa mitady ny Fanahy hanavao ny fiainanay:
Izy avy Aminao, ry Tompo, manan-kery hanova anay
Ka matahotra izahay sao fongorany tokoa
‘Zay mba nahazatra anay

Tebitebinay rehetra ‘zany tanisaina izany e
Koa aza esorina aminay ny Fanahinao ry Tompo ô
Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao
Hisantaranay sahady ô ‘zany fiadananao

Salamo 114

Raha tsy miharitra ny fahoriana

Raha tsy miaritra ny fahoriana isika,
Dia tsy hiditra ny fanjakan’Andriamanitra. (x2)

1. Tiako ny Tompo satria
Nihaino ny antsoko nihanta Taminy !
Tiako ny Tompo satria
Tsy mba nanentsin-tadîny
Tamin’ny andro rehetra niantsoako ny vonjiny,
Tiako e ny Tompo.

2. Saron’ny haizina ny aiko,
Latsaka am-bovon’ny fahafatesana !
Tojo an’ireo fahoriana,Velona ny tebiteby :
Indro aho nitady ny Tompo niantso ny Anarany,
Tiako e ny Tompo.

3. Tompo ô, vonjeo re ‘ty zaho !
Ny Tompo miantra sy tena marina :
Izy mangoraka antsika,
Aron’ireo olon-tsotra :
Fony aho nalemy dia indro fa nohatanjahiny.
Tiako e ny Tompo.

4. Aoka hatoky, ry Aiko,
F’Ianao tian’ny Tompo ka he hasoaviny !
Izy manafaka anao, velona tsy mba ho faty :
Tsy mba tomany na mifendrofendro ny masoko,
Tiako e ny Tompo.

5. Entiny aho mba hamindra,
Tsy ho tafintohina eo anatrehany,
Roso fa velona indray ! Tiako Andriamanitra Raiko :
Zanany namonjy ahy, nanome ny Fanahiny,
Tiako e ny Tompo.
Raha tsy miaritra ny fahoriana isika,
Dia tsy hiditra ny fanjakan’Andriamanitra. (x2)

Psaume 120

Antienne : Comme la prunelle de ses yeux, le Seigneur garde son peuple, alléluia

1 Je lève les yeux vers les montagnes :
d’où le secours me viendra-t-il ?
2 Le secours me viendra du Seigneur
qui a fait le ciel et la terre.

3 Qu’il empêche ton pied de glisser,
qu’il ne dorme pas, ton gardien.
4 Non, il ne dort pas, ne sommeille pas,
le gardien d’Israël.

5 Le Seigneur, ton gardien, le Seigneur, ton ombrage,
se tient près de toi.
6 Le soleil, pendant le jour, ne pourra te frapper,
ni la lune, durant la nuit.

7 Le Seigneur te gardera de tout mal,
il gardera ta vie.
8 Le Seigneur te gardera, au départ et au retour,
maintenant, à jamais.

Gloire au Père, au Fils et au Saint Esprit, pour les siècles des siècles. Amen.

Ensemble :
Comme la prunelle de ses yeux, le Seigneur garde son peuple, alléluia.

TONONKIRA APÔKALIPSA 15

MBA LEHIBE RY TOMPO ANDRIAMANITRA

Mba lehibe ry Tompo Andriamanitra ô
Ny asanao e ety aminay ety! (x2)

1. Lehibe sady mahatalanjona ny Asanao
Ry Tompo Andriamanitray heni-pahefana
Fa marina sy mahitsy ny lalanao
Ry Tompo Mpanjaka tokan’ny firenena

2. Fa iza no tsy hatahotra Anao, ry Tompo?
Mba zovy hoe ny tsy hanaja ny Anaranao?
Ianao manko no hany masina Andriamanitra ô
Ka ho avy ny firenena sy ny isam-poko

3. Hiankohoka sy hitsaoka Anoloanao
Fa efa niseho tokoa fa mpitsara Ianao

Mba lehibe ry Tompo Andriamanitra ô
Ny asanao e ety aminay ety! (x2)

Parole de Dieu

Heubreux 5, 8-10

Bien qu’il soit le Fils, le Christ a pourtant appris l’obéissance par les souffrances de sa passion ; et, ainsi conduit à sa perfection, il est devenu pour tous ceux qui lui obéissent la cause du salut éternel. Car Dieu l’a proclamé grand prêtre selon le sacerdoce de Melkisédek.

RÉPONS (Tous ensemble)

R/ Toi, la paix que rien ne trouble, Esprit le Dieu pour notre terre,
Comment es-tu la guerre au cœur de l’homme ?

Tononkiran’i Maria

(Lioka 1)

Mankalaza e mankalaza, mankalaza Anao ry Tompo, ny foko, sy ny fanahiko, Andriamanitra ô;
falifaly e falifaly, falifaly ao aminao ny foko, ny fanahiko, ry Mpamonjy ahy.

1. Na bitika aza aho, na tsinontsinona
notiavinao aho mpanomponao ;
taranaka mifandimby no indro hidera ahy hoe sambatra,
fa soa lehibe tokoa no nataon’Izy Tompo ho ahy :
ny Masina no anarany.

2. Fa tsofiny rano ny taranaka,
taranaka amam-para matahotra azy ;
ny heriny dia nampariny handrava ireny mpiavonavona,
naongany fahefana ireo nalaza ho miezinezina :
ny bitika no nasandrany.

3. Ny noana fenoiny zava-tsoa,
ny mpanan-karena dia noroahiny ;
navotany ilay vahoaka voafidy efa nekeny hotiavina,
tsarovany lalandava ny dina tamin’ny razantsika :
hotiaviny omban-taranaka.

Mankalaza e mankalaza, mankalaza Anao ry Tompo, ny foko, sy ny fanahiko, Andriamanitra ô;
falifaly e falifaly, falifaly ao aminao ny foko, ny fanahiko, ry Mpamonjy ahy.

Intercession

Par la puissance de ton Esprit, Seigneur Jésus, vivifie ton Église :
R/ Roi de gloire, exauce-nous !

Renouvelle l’esprit de service chez ceux qui nous partagent ta parole et ton pain.
R/ Roi de gloire, exauce-nous !

Réconcilie, dans ton humilité, les riches et les pauvres, les forts et les faibles.
R/ Roi de gloire, exauce-nous !

Révèle ton Évangile à toutes les nations : qu’elles entendent et qu’elles croient.
R/ Roi de gloire, exauce-nous !

Console par ton Esprit ceux qui souffrent le deuil, la maladie, le découragement.
R/ Roi de gloire, exauce-nous !

Délivre de leurs fautes nos frères qui sont morts ; accueille-les parmi les saints du ciel.
R/ Roi de gloire, exauce-nous !

Oraison

Andriamanitra ô, nohavaozinao tao amin’I Kristy nitsangan-ko velona izahay hahazoanay ny fiainana mandrakizay; koa tariho ny fonay hitodika ho any amin’ilay Mpamonjy mipetraka eo ankavananao ; ary rehefa ho avy am-boninahitra Izy Mpanavotra anay, dia enga anie izahay nateraka indray tamin’ny Batemy mba hitafy ny toetra tsy mety maty mandrakizay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, izay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.
Amen.

Tso-drano

Pretra : Enga anie ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina hitso-drano sy hitahy antsika hivondrona ao amin’i Kristy mandrakariva.

Rehetra : Misaotra e, fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika !