Laudes

Vendredi 10 Mai 2024

Laudes (n.f.plur) : Partie de l’office divin qui se chante à l’aurore, après matines.

Laudes

Introduction

V/ Tompo o sokafy ny vavanay

R/ Et ma bouche publiera ta louange

ANTIENNE INVITATOIRE

Alléluia, Jésus est vainqueur, il nous a promis l’Esprit Saint.

Salamo 94

Ry Vahoaka voafidy

Ry vahoaka voafidy,
Voafidin’Andriamanitra,
Avia hitsaoka ny Tompo,
An’ilay Filoha sy Mpiandry anao

1 Avia mifalia ka hobio ny Tompo,
Ilay vatolampy sy vonjintsika.
Andeha mankeo anoloany hisaotra,
Hihira sy hiantsa ary hankalaza azy.

2 Fa izy Andriamanitra sady Tompo,
Mpanjakan’ireo andriamani-kafa
Ny atin’ny tany eo am-pelatanany,
Ny tampon’ny vohitra azy koa.

3 Nataony ka azy ny ranomasina,
N’tanety azy koa fa asan-tanany.
Avia miondreha ary miankohofa
Hitsaoka ilay Tompo nanao antsika.

4 Fa izy no tena Andriamanitsika,
Isika vahoaka sy ondry fiandriny.
Hihaino azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy:

5 Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
Toy ny tany Masà sy tany Meribà.
Ny razanareo dia nitsapa ahy!
Kanefa nahita ny asa vitako.

6 ‘Ty taranaka ity efapolo taona
Dia nahatofoka ahy, nahatezitra ahy.
Vahoaka mpaniasia tokoa ity,
Tsy mety hahalala ny tena lalako;

7 Vahoaka mpaniasia tokoa ity,
Tsy mety hahalala ny tena lalako;
Koa tezitra aho ka nianiana
F’ireto tsy hiadana miaraka amiko.

8 ‘Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,
Ny Ray be fitia ‘zay nifidy antsika.
Ny Zanany nentiny niantso antsika,
Fanahiny kosa nomeny antsika!

Hymne

Matoa aho nijaly sy maty

Fiv : Matoa aho nijaly sy maty
Izaho no nanolotra ny aiko,
Matoa aho nanolotra ny aiko,
Izany no fara-fitiavako.

1 – Fa alina ny andro, manakaiky ny fotoana,
Dia indro fa hatolotra eo an-tanan’ny mpanota
I Jesoa ‘lay Mpampianatra nikoizan’i Satana.
I Jesoa ‘lay Mpampianatra nikoizan’i Satana.

2 – Fa alina ny andro, manakaiky ny fotoana,
Ka indro fa hatolotra eo an-tanan’izy Jody
I Jesoa ‘lay Mesia, ‘lay Mpanjaka nantenainy.
I Jesoa ‘lay Mesia, ‘lay Mpanjaka nantenainy.

3 – Fa alina ny andro, manakaiky ny fotoana,
Ka indro fa hatolotra eo an-tanan’i Pilaty
Ilay Nazareana, lehilahy ‘zay tsara laza.
Ilay Nazareana, lehilahy ‘zay tsara laza.

4 – Fa alina ny andro ary tonga ny fotoana,
Ka indro fa nasandratra eo imason’ny tontolo
I Jesoa ‘lay Mpanjaka, ‘lay avy any Nazareta.
I Jesoa ‘lay Mpanjaka, ‘lay avy any Nazareta.

5 – Maraina izao ny andro ary tonga ny fotoana,
Ka indro fa nasandratra eo imason’ Izy Ray
I Jesoa ‘lay nandresy ka nandray ny fahefana.
I Jesoa ‘lay nandresy ka nandray ny fahefana.

Salama 50

Sas :
Raha misy olona nanota,
Manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika :
Dia i Jesoa Kristy, ilay

1. Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra ô,
Fa Ianao manko lalim-pitiavana
Mba koseho re ny heloka vitako.
Dia diovy aho hiala amin’ny otako !

2. Efa niaiky hadisoana ny tenako,
Eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso, Andriamanitra o
Fantatrao avokoa ny kilemako !

4. Izay marina anaty no marina,
Ka toronao mangina aho ry Tompoko.
Ary fafazo ra aho ho sitrana
Hihoatra ny oram-panala ny dioko.

5. Ampiravoravoy ny fanahiko
Sy ny taolako voamontsamontsana.
Mba esory eo imaso ny otako,
Dia koseho tsy ho hita ny heloko !

6. Fo madio vaovao no angatahiko
Sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alana aminao aho, ry Tompoko,
Ny Fanahy aza esorinao amiko.

7. Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.

8. Mba fafao amin’izay ny tomaniko,
hilazako fa ianao no hany marina,
Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera anao tokoa ‘zany vavako.

9. Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany koa ireo sorona dorana:
Ny fanahy, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.

10. Tsy odianao tsy hita, Andriamanitra,
ny fanahy torotoro sy trotraka,
I Siôna omeo fitsimbinana,
Mba areno ‘lay Jerosalemako:

11. Dia ho manitra indray ny fanatitra
sy ny sorona isan-karazany.
Koa isaorako Ianao Andriamanitro,
lehibe ny indrafonao tamiko.

12. Zanakao no nanonitra ny otako
sy naniraka ny Fiangonany;
Ny Fanahy kosa tonga nitantana
hivalozan’ny foko tanteraka.

Antienne

Jérusalem, célèbre ton Dieu : il te donne la paix, alléluia.

Psaume : 147

12 Glorifie le Seigneur, Jérusalem !
Célèbre ton Dieu, ô Sion !

13 Il a consolidé les barres de tes portes,
dans tes murs il a béni tes enfants ;
14 il fait régner la paix à tes frontières,
et d’un pain de froment te rassasie.

15 Il envoie sa parole sur la terre :
rapide, son verbe la parcourt.
16 Il étale une toison de neige,
il sème une poussière de givre.

17 Il jette à poignées des glaçons ;
devant ce froid, qui pourrait tenir ?
18 Il envoie sa parole : survient le dégel ;
il répand son souffle : les eaux coulent.

19 Il révèle sa parole à Jacob,
ses volontés et ses lois à Israël.
20 Pas un peuple qu’il ait ainsi traité ;
nul autre n’a connu ses volontés.

Parole de Dieu

AC 5, 30-32

Le Dieu de nos pères a ressuscité Jésus, que vous aviez exécuté en le pendant au bois du supplice. C’est lui que Dieu, par sa puissance, a élevé en faisant de lui le Chef, le Sauveur, pour apporter à Israël la conversion et le pardon des péchés. Quant à
nous, nous sommes les témoins de tout cela, avec l’Esprit Saint, que Dieu a donné à ceux qui lui obéissent

R/ Ô Christ, tu es le Fils du Dieu vivant.
* Alléluia, alléluia.

V/ Tu es ressuscité d’entre les morts. *
Gloire au Père et au Fils et au Saint-Esprit. R/

TONONKIRAN’I ZAKARIA

Aza matahotra ianareo: Mitady an’i Jesoa ianareo,
Jesoa ‘lay Nazareana, ‘lay nofantsihana iny e.
Efa nitsangan-ko velona izy ka tsy mba eto intsony, Aleloia. (Mk. 16, 6)

1 Deraina, isaorana izy Tompo,
Ny Tompo Andriamanitr’i Israely
Fa izy efa tonga namangy antsika,
Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray:
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa teniny nentin’ny mpaminany,
Dia ireo olomasiny fahagola:
« Ny vonjiny hanala amy fahavalo,
Hanafaka antsika amy mpankahala ».

4 Noho izy nandala ny razantsika,
Dia indro tsaroany ny fanekeny,
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’izay isika afa-manompo azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy,
Fa entin’ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao, anaka, no antsoina
Ho ‘lay « Mpaminanin’ny Avo indrindra »,
Hizotra anoloan’ny Tompo ianao
Hamboatra ny làlana ‘zay hombàny.

7 Ianao hanambara ny famonjena,
Dia ny famelana ny hadisoana,
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava ‘reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty,
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena;
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.

INTERCESSION

Ô Christ, tu es entré dans la gloire,
— envoie le don que tu nous as promis,pour que nous soyons revêtus de la force d’en haut.

R/ Envoie sur nous ton Esprit !
Ne nous laisse pas orphelins,
— que vienne sur nous l’Esprit consolateur.

Tu nous veux prudents comme le serpent, simples comme la colombe,
— que ton Esprit Saint nous fasse discerner ce qui est bon.
Tu sièges à la droite du Père, où tu intercèdes pour les hommes,
— que l’Esprit unisse notre prière à la tienne.

ORAISON

Tu nous recrées, Seigneur, pour la vie éternelle dans la résurrection de notre Sauveur qui règne désormais auprès de toi ; dirige nos cœurs vers sa gloire afin qu’au jour où il viendra de nouveau, ceux que tu as fait renaître par le baptême soient revêtus de sa lumière impérissable. Lui qui règne.