COMPLIES

Jeudi 09 Mai 2024

Complies (n.f.plur) : heure canoniale portant l’office divin à son achèvement et venant après les vêpres.

Complies

Introduction

V/ Dieu, viens à mon aide


R/ Seigneur, à notre secours.
Gloire au Père, et au Fils et au Saint-Esprit, au Dieu qui est, qui était et qui vient, pour les siècles des siècles.
Amen. Alléluia.

Hymne

Vatolampy tsy mikoro

1 Vatolampy tsy mikoro, vatolampiko ianao,
Andry mafy mampijoro, vatolampy vaovao.
N’aiza n’aiza misy ahy, na salama na marary,
Vatrako ny mahatsiahy, miantso anao, ry Zanahary.

Ny fiainako tontolo no natokako ho anao;
Tsy atakaloko mpisolo:
Vatolampiko ianao. (indroa)

2 Tsy mba mandry an-driran’antsy ny mifikitra aminao
Fa matory ivohom-bato: vatolampiko ianao.
Ny voaary mora miova, misy fetra ka mandao,
Fa ianao no hany lova: vatolampiko ianao.

PSAUMES 90

Antienne (averina) :
Ianao, Andriamanitra itokiako,
Andriamanitra fialofakophp

1 ‘Zay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo indrindra
Miala sasatra amin’ny aloky ny Tompo tsitoha.
Fa izy no manafaka amin’ny fandriky ny ratsy
Sy ny areti-mifindra mandoza.

2 Dia hanarona anao amin’ny elany izy Tompo
Ampinga mahery ny fahamarinany.
Tsy misy hampangovitra anao amin’ny alina,
Na zana-tsipìka manidina antoandro.

3 Fa ny ratsy misoka amin’ny haizina ho rava,
Sy ny areti-mifindra amin’ny mitataovovonana,
Na misy arivo, iray alina ho lavo,
Ianao tsy mba tratra.

4 Hijery hatrany ianao ka hahita
Ny valy hanjò ireo ratsy fanahy.
« Fiarovana ianao, ry Tompo », hoy ianao,
Nanao ny Avo indrindra ho fialofana ianao.

5 Ka izay fahoriana tsy hihatra aminao,
Na ny loza hanakaiky ny fonenanao,
Fa izy handidy ny anjeliny masina,
Mba hiambina anao amin’ny làlanao rehetra.

6 Ka hivimbina anao eny an-tanany izy ireo,
Fandrao ny tongotrao tafintohana amin’ny vato.
Dia hanitsaka liona ianao ka handresy,
‘Zay biby masiaka rehetra ho levona.

7 ‘Zaho Tompo hanafaka izay tia ahy,
Hiaro azy fa izy matoky ny anarako.
Hiantso ahy izy mantsy raha zoim-pahoriana,
‘Zaho kosa hamonjy hanome voninahitra.

8 Andro lava sy feno tanteraka eto an-tany,
Famonjena any an-danitra mandrakizay
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka,
Voninahitra anie ho an’ny Fanahy Masina.

Parole de Dieu

Apocalypse 22, 4-5

Les serviteurs de Dieu verront son visage, et son nom sera écrit sur leur front. La nuit n’existera plus, ils n’auront plus besoin de la lumière d’une lampe ni de la lumière du soleil, parce que le Seigneur Dieu les illuminera, et ils régneront pour les siècles des siècles.

R/ Ray ô ! Eo am-pelatananao ny fanahiko
* Alléluia, alléluia.

V/ Sur ton serviteur que s’illumine ta face. *
Gloire au Père et au Fils et au Saint-Esprit.

Cantique de Syméon

Tompo ô, Hitako Maso

Tompo ô, hitako maso
‘Lay famonjena avy aminao
Nomaninao ho an’ny vahoaka
Eran’izao tontolo izao.

1. Azonao alefa amim-piadanana amin’izay
Ny mpanomponao araka ny teninao (indroa)

2. ‘Lay hazavana natao hanilo ny firenena,
Voninahitray vahoaka voafidinao. (indroa)

3. Dia ilay Mesia Zanakao ka nirahinao
Mba hitondra anay hidera ao an-danitra ao. (indroa)

Oraison

Nous t’en supplions, Seigneur, visite cette maison, et repousse loin d’elle toutes les embûches de l’ennemi ; que tes saints anges viennent l’habiter pour nous garder dans la paix ; et que ta bénédiction demeure à jamais sur nous.

Ry Tompo Andriamanitray, enga anie ny fahamirapiratan’ny fitsangananko velona hanazava anay, mba ho afaka amin’ny aloky ny fahafatesana izahay ary ho tonga amin’ny fahazavana mandrakizay any amin’ny fanjakanao.

Bénédiction

Que le Seigneur nous bénisse et nous garde, le Père, le Fils, et le Saint-Esprit.
Amen.

Enga anie ny Tompo hitso-drano sy hitahy antsika, Ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina
Amen

HYMNE

Regina caeli, Laetare, Alleluia

Ry Mpanjakavavin’ny lanitra, mifalia aleloia
satria ilay nentinao tany am-bohoka,aleloia
Dia efa nitsangan-ko velona araka ny teniny, aleloia
mivavaha amin’Andrimanitra ho anay aleloia
Mifalia sy miravoa, ry Maria Virjiny, aleloia!
satria nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, aleloia!

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra, Ianao nampientan-kafaliana an’izao tontolo izao tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay; koa mihanta Aminao izahay, enga anie noho ny vavak’i Maria Virjiny dia mba homenao anay ny fiainan-tsambatra mandrakizay. Amin’ny alalan’i Jesoa Tomponay.
Amen.