OlomBaovao N°120 (2019)

4 OlomBaovao N°120 PMA ANKEHITRINY VE ANAMBADIAN-KITERAHANA ? Mafana ny adi-hevitra eto Frantsa, sy ny resaka hidina an-dalam-be eo amin’ny mpanohitra sy ny mpanohana ny volavolan-dalàna antsoina hoe : PMA na “ Procréation Médicalement Assistée ”, ataoko dikanteny malalaka hoe : Fanampiana ara-pitsaboana amin’ny fahazoan-jaza. Anampiana ireo mitady zaza nefa tsy mahazo. Tany am-piandohana, tamin’ny taona 1994, ny PMA dia natokana ho an’ireo mpivady mitady zaza nefa tsy mahazo, ary lehilahy sy vehivavy. Na ny tokantranomaso na concubinage ka lehilahy sy vehivavy dia nekena koa tamin’io PMA voalohany io. Ny concubinage lahy samy lahy izay nekena ny fisiany taty amin’nytaona 1999, dia tsy mahazo PMA akory. Ny 17 May 2013 dia teraka ny PACS na Pacte Civil se Solidarité, izay tsy mariazy akory fa fiaraha-miaina maharitra eo amin’ny lehilahy sy vehivavy, na samy lehilahy, na samy vehivavy. Ny fankalazana izany dia tsy atao any amin’ny Mairie fa any amin’ny Tribonaly Ambaratonga voalohany na any amin’ny Ambasady raha tsy eto Frantsa ianao. Miova tanteraka izany ny atao hoe : tokantrano. Tsy Dada sy Neny sy ny zanaka intsony, fa mety samy ho lehilahy, na samy ho vehivavy kanefa tsy afa-miteraka ireo. Ilay vaha-olana nentin’ilay PMA voalohany izany tsy mety intsony fa tsy maintsy ovàna. Dia izany no mahatonga ity PMA, andian’ny faharoa ity izay manomboka iadian- kevitra ao amin’ny Antenimieram-pirenena frantsay ny Talata 24 septambra lasa teo. Nidina an-dalam-be ny mpanohitra izany PMA vaovao izany. “PMA tsy misy ray”. Ny Alahady 06 Oktobra no nidina an-dalam-be, araka izany, ny mpanohitra. Voatombana latsaky ny iray hetsy ireo mpilahatra, izay nantsoina Fikambanana miisa roapolo. Vitsy dia vitsy raha oharina tamin’ny “Manif pour tous ” izay nanohitra ny “ Mariage pour tous ”, fito taona lasa izay Raha ny tsapa-kevitra nataon’ny IPSOS dia voalaza fa 60 % ny Frantsay manohana ny PMA vaovao ho any samy vehivavy, ary 65 % ho an’ny vehivavy tokan-tena. Andohalika ny ranom-bary ho an’ny Fiangonana satria ny fianakaviana andrin’ny fiarahamonina no tandondomin-doza. Ho vaky sa ho tresaka .Rahefa namoaka ny heviny ny CCNE na Conseil Consultatif National d’Ethique ny 27 jona 2017, izay najoro ny 23 febroary 1983, taorian’ilay “bébé-éprouvette” frantsay voalohany ny taona 1982. Izay mety hanazava ny governemanta amin’izay mety ho fanapahan-kevitra ho raisiny, dia namoaka fanambarana ny Fivondronamben’ny Eveka eto Frantsa ny 28 jona 2017, ny ampitson’io ihany. Mametra-panontaniana momba ny fananan’anaka tsy misy ray ; sao lasa fitaovana fotsiny ny zaza ka tsy voatsimbina ny tena tombontsoany ; ny sehatra fitsaboana ve dia ho lasa hamalianana fotsiny ny faniriana mitranga ara-piaraha-monina ; dia tsy ho voafehy intsony ny PMA fa hitatra. Ny “éthique” sy ny “morale” moa dia voambolana mitovy ihany. Ny éthique dia avy amin’ny teny grika ( ethos, les moeurs, fomba ), ary ny morale dia avy amin’ny teny latinina (mos /mores ). Mety dikanteny nalaina tamin’ny teny grika ihany ny morale. Voafehin’ireo ny fitsipi-piainana ao anatin’ny fitondran-tena, izay mamaritra ny tsirairay sy ny fiaraha-monina. Tsoahina avy amin’izany ny soatoavina. Fahaiza- manavaka ny ratsy sy ny tsara ; ny marina sy ny lainga, miaro sy ny manapotika, sns…Fitsimbinana ny tsairairay amin’ny fifampitsimbinana ho fiarovana ny fiarahamonina sy ny tomboantsoa iombonana. Ny fanambadiana na ny mariazy, hoy isika dia andry fototry ny fiaraha- monina, Efa misy endrika hafa anefa maro mamaritra ny fiaraha-miaina amin’izao fotoana izao araka ny voalazantsika etsy ambony.” Miahiahy izahay ho an’ny fiarahamonina ”, hoy I Mgr Eric de MOULIN-BEAUFORT, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Frantsa, tamin’ny tafa nifanovana tao amin’ny Collège des Bernardins teto Paris, ny Alatsinainy 16 septambra 2019 lasa teo, manoloana ity volavolan-dalàna amin’ny fanampiana ara-pitsaboana ity eo amin’ny fananahana (PMA) endrika faharoa. Sao lasa filàna fotsiny ny fananan-janaka ka tsy raisina toy ny fanomezana fa raisina toy ny zo. Sao mijanona faniriana fa tsy raisina toy ny adidim-pitiavana, hisian’ny taranaka vanona. Ary aiza ilay ray ? Toa” PMA tsy misy ray” intsony, ity PMA vaovao ity. Manan-kasina ny aina. Ahiahy no aroson’ny Fiangonana. Ilaina ny arofanina, fa mafy ny sangodim- panina ka mety tsy ho voafehy intsony ny vokany satria tsy mitsinjo lavitra. “Manan-kasina ny aina”, hoy ny Fiangonana : “Le don de la vie que Dieu, Créateur et Père, a confié à l’homme, impose à celui-ci de prendre conscience de sa valeur inestimable et d’en assurer la responsabilité ”, ka mila tandrovina toy ny anankadriamaso. Hoy koa ny teny fampidirana ao amin’ny Taratasy navoakan’ny Congrégation pour la Doctrine de la Foi, momba ny resaka bioetika, dikanteny ofisialy ihany : “ La dignité de la personne doit être reconnue à tout être humain, depuis sa conception jusqu’à sa mort naturelle » Tsy azo lalaovina na ho viraviraina ny aina. Miara-miasa amin’ny siansa ny Fiangonana fa tsy mifanohitra. Ny Malagasy taloha misao-bady momba sy ny fampirafesana noho ny fanirian-janaka. Efa mihena be ny toe-tsaina mitazona izany na dia anambadian-kiterahana ihany, fa tsy hadino ny hoe anambadian-ko namana. Amin’ny kabary am-panambadiana dia manontany fototra ny mpikabary satria mila taranaka vanona : “Izahay izao no solofo dimbin’ny ala, ny kolokolo dimbin’ny vary ary taranany ”.Ary zazalahy sy zazavavy no manorina tokantrano. Tsy mifanipaka amin’ny fampianarana Kristianina izany, fa tena ao tsara. Ankehitriny dia mandeha haingana ny fivoaran’ny fiarahamonina. Miaiky anefa fa fianakaviana mafy orina no mampanjary fiarahamonina maharitra. Lavitry ny fitiavan-tena fa manasina ny tena fitiavana. Anambadian- kiterahana,fanomezana izany fa tsy zo. Eto Frantsa dia hita fa ambany ny tahan’ny fanambadiana, ary mitombo ny zaza ateraka ivelan’ny fanambadiana, sy ny fisaraham-panambadiana. Mbola lavitra ny lalana diavin’ny Fiangonana hamerenana indray ny hasin’ny fanambadiana Kristianina aty amin’ny Tany Tandrefana. Ny mpivady Kristianina no tokony ho fanilo eo anivon’ny fiaraha- monina. Tafita ve ny fampianaran’ny Fiangonana – Konsily Vatikana “… Ny fifankatiavan’ny mpivady dia asondrotra sy horaisina ao anatin’ny Fitiavan’Andriamanitra” . Manaitra ny maro izany fanontaniana izany. Satria na Malagasy ianao na hafa fiaviana na Kristianina dia isany antony anambadiana ny hananana taranaka mpandova, mpandimby, mamelomaso ny fianakaviana. Mafy izany hoe lany taranaka, hoy ny fitenenana. Ankehitriny, efa miova sy mivoatra ny fiaraha-monina noho ny fandrosoana ara-teknolijia,indrindra ara- pitsaboana. Misy tsy te hiteraka, misy maniry fa tsy mahazo zaza, misy ny manala ny ao am-boahaka, ary misy ny maro anaka. Teraka ny olana. Aiza ho aiza isika izao ? Fanadihadiana. ELIASY Liva

RkJQdWJsaXNoZXIy NTIwMDQ=