OlomBaovao N°120 (2019)

Iray ihany koa ny Fankalazana ataontsika na dia misy lafiny maro aza. Tsy miangona ihany, fa mivavaka, mivory, mamonjy lamesa ihany koa... Tsy misy fombam-pivavahana hafa mihoatra ny fivorian’ny mpino rehetra isan’alahady… 4). Ny fifampitsimbinana Solidarité, partage, convivialité) : Tsy mionona amin’ny famonjena ny fotoam-pivavahana fotsiny fa hanokana hery sy fotoana, ary fahaizana amam-pahalalana. Samy araka ny talenta nomena antsika tsirairay avy, mba :  Hampiroborobo ny fiainan’ny Ankohonana,  Hampiely ny Vaovao Mahafaly (Evanjely, Filazantsara),  Handalina sy hampandalina ny finoana,  Handrindra ny fiaraha-miain’ny Ankohonana (Fihavanana),  Hamaha ny olana mety hiseho… Satria ny Andro fankalazana ny Tompo dia Andro fandrafetana ny Ankohonana- Fiangonana ihany koa :  Fivorian’ny Birao (raha misy fotoana)  Fivorian’ny Vaomiera isan-karazany,  Fivorian’ny Sampana (Ankizy, Tanora zandriny na ados, Zoky, Ray aman-dreny, Antoko mpihira…),  Fampiofanana,  Fanabezam-pinoana… Mifampiankina ny Eokaristia sy ny asa fandrafetana ny Ankohonana.  Tontolo andro ny Andron’ny Tompo (Journée du Seigneur) Mihoatra ny fotoam-pivavahana, mihoatra ny fotoam-pivoriana ny Andron’ny Tompo.  Misy lafiny faha-3 ny Fifampitsimbinana (I Kor 16, 1-2 ; II Kor 8, 1-3)  Izay nataony tamintsika no ataontsika @ hafa.  Toko 3 mahamasa-nahandro, mahafeno sy lavorary ny Andron’ny Tompo : Eokaristia sy asa fandrafetana ny Ankohonana sy fitsimbinana (Jk 2, 15-16 ; Asa 4, 34-35) Mifampiankina sady tsy azo sarahina ny Famakiana ny mofo sy ny Fifampizarana ny manta sy ny masaka (Fifampitsimbinana). Ireo tsy afa-miangona, itondrana kômonio. FEHINY Ankohonan’ny mpino (Communauté des croyants) Foto-pivelomany : Jesoa Kristy Antom-pivelomany : Asa pastôraly 1. Tenin’Andriamanitra sy Eokaristia (Lamesa, Sorona Masina) 2. Asa fandrafetana (Fivorian’ny Birao, ny Vaomiera, ny Sampana ; ny Fampiofanana ; ny Fanabezam-pinoana ; ny Famangiana…) 3. Asa fikatroana (culturel, spirituel, social, social, sportif, loisirs, rencontres, solidarité, convivialité, hospitalité, débats, informations, tables rondes, actions éducatives, formations, apprentissage de la langue malgache…) Fototra ijoroany :  Sata (Rafitra)  Fitsipika anaty (Mamaritra sy mameno ny Sata). Ohatra, Fitsipi-pifehezana, Vaomiera, Sampana… Andron’ny Tompo ny Alahady (Journée du Seigneur) Maro ny zavatra mety mampifanaritaka :  Fialan-tsasatra,  Fikolokoloana ny raharaha ao an-tokantrano,  Famangiana ny havana,  Anaovana fanatanjahan-tena,  Fiasana ho an’ny sasany,  Anaovana « grâce matinée » ho an’ny hafa,  Teran’ny mpampiasa hiasa,  Marary voatana am-pandriana,  Miandry trano sy mitaiza kely… Raha maniry ny hiara-mankalaza an’ny Tompo, nefa tsy afaka : Mivavaka samirery, mamaky Soratra Masina, miventy hira masina, manaraka haino aman-jery (télé, tablette, smartphone, sns). Eny, tsy mahasolo fa ny fikasan-tsara dia vavaka ihany koa. 2 OlomBaovao N°120 Satria amin’io no anatanterahana ny Fomba voalohany sy ambony indrindra ankalazantsika ny Tompo… Tsy ny Andron’ny Tompo anefa no ankalazana amin’izay fa ny Tompon’ny andro : dia Andriamanitra. Kristy nitsangan-ko velona no ankalazantsika fa tsy ny fotoan’andro na ny alahady (I Kor 15, 14). Kristy no antony ifaliantsika. Mba hahafahantsika mankalaza Azy dia mitsahatra tsy miasa isika. Tsy ny asa akory no fady amin’ io Andro io fa ny fotoana hiasàna no efa voatokana hankalazana ny Tompo . Konsily Vatikana II : « amin’ny io andro io dia tsy maintsy mivory ny kristiana mba hihaino ny Tenin’And/tra sy mba handray anjara amin’ny Eokaristia ». Andry anakiroa mandrafitra ny fivoriana : Famakiana ny Tenin’ny Tompo sy Famakiana ny mofo ( Double table de la Parole et de l’Eucharistie ) Votoatiny : Tsy voafetra ao amin’ny fihainoana ny Tenin’And/tra sy ny fandraisana anjara amin’ny Eokaristia ihany ny fankalazana ny Andron’ny Tompo . Fa tsy maintsy mipàka @ ny fitsimbinana ny hafa sy ny mahantra. Tompoina Andriamanitra + Tompoina ny olombelona + Tompoina ny zava-boaary sy ny tontolo iainana. Tsinjovina daholo ny rehetra : Andriamanitra, Eglizy, Ankohonana, izao tontolo izao, fiaraha-monina, tsirairay, mpino, tsy mpino… 1). Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra : Famakiana ny Tenin’Andriamanitraa sy valinteny avy amintsika . Matoa misaotra an’ny Tompo isika dia satria mahatsiaro ny asa mahagaga vitany ho antsika amin’ny alalan’i Jesoa. Mahatsiaro ( Faire mémoire ) Misaotra ( Rendre grâce ) - Mankalaza ( Célébrer ) Fahatsiarovana miteraka Fisaorana ary Fisaorana mivelatra ho Fankalazana . 2). Fankalazana ny Eokaristia : Famakiana ny mofo : Fara-tampon’ny fivoriana @ Andron’ny Tompo, antom-pivoriana… Ny valin’ny Tenin’Andriamanitra ambony indrindra sy lavorary dia ny « Vavaka Fisaorana lehibe » (Prière eucharistique), izay entintsika misaotra sy mankalaza an’Andriamanitra. 3). Mivavaka ve sa miangona ? Tsy fivoriana atao amin’ny anaran’ny Tompo fotsiny, Tsy fivoriana atao ho fahatsiarovana Azy fotsiny, fa Fivoriana izay atrehiny, « Fivoriana amin’ny alalany, sy miaraka Aminy, ary ao Aminy… » Teny velona vakintsika, Mofo velona vakintsika zary Sorona velona, Mofo velona zaraintsika dia ny Tenany… Ka izay « iray vatsy, iray aina », ary izay iray aina dia iray fahasambarana, toy ny reny faly mitondra vohoka… Iray ihany isika miara-miangona, na maro aza (I Kor 12) ; Père Juvence RAMANAMBITANA, a.a

RkJQdWJsaXNoZXIy NTIwMDQ=