OlomBaovao N°120 (2019)
FIKAMBANANA (ASSOCIATION) SA ANKOHONANA (COMMUNAUTÉ) ? Septembre à Octobre 2019 OlomBaovao N°120 1 I. FANONONAN’ANARANA (Appellation) : Aumônerie, Fiangonana , Communauté. Bangoitsika hoe : « Ankohonana ». Eo imason’ny Fanjakana @ alalan’ny « Préfecture » dia Fikambanana (Association) ara-dalàna. Eo imason’ny Eglizy Katôlika @ alalan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Frantsa (Conférence des Évêques de France) dia sady Ankohonam-pinoana (Communauté de foi) . Rantsana mangaika mpanome toromarika : « Service National de la Pastorale des Migrants et des Personnes Itinérantes » (SNPMPI) . 1. Rafi-pitantanana (Structure) : Samy manana Sata (Statut na Statuts) ny Ankohonana tsirairay ary misy Fitsipika anaty (Règlement intérieur) izay mamaritra mazava sy mameno ny Sata . a). Ny Ankohonana sy ny rafitra fototra (structure fondamentale) : Ankohonam-pinoana fa tsy paroasy, monina eto Frantsa , tantanan’ny Birao miaraka @ pretra toavin’ny eveka na arseveka mba hiahy azy. Maningana ny ao Parisy satria nahazo iraka manokana tamin’ny Fivondronamben’ny Eveka. Izay tsy toavin’ny ny mpiandraikitra ny Eglizy mampiantrano kosa dia « tsy tonga volana ». Tsy Fikambanana fotsiny ihany fa tena « Ankohonam-piangonana », « Ankohonan’ny mpino », « Eglizy kely », « Zanapiangonana » (Communauté ecclésiale) mihitsy. Anankinana andraikitra makadiry araka izany ny Mpiandraikitra ny Ankohonana (Bureau) . Satria Miandraikitra indrindra ny asa pastôraly iveloman’ny Ankohonana. b). Asa pastôraly (Activités pastorales) : Miantoka izay rehetra ilain’ny mpino ao @ mba handroso sy hiaina @ maha- kristiana azy ny asa pastôraly . Zava-misy : Tsy afaka miantsoroka ny « hafenoan’ny asa pastôraly » na dia miantoka ny fanatanterahana ny andraikitra rehetra sahanin’ny « pretra mpiahy ». Azony atao ny : Mitarika ny fotoam-pivavahana alahady (Assemblée Dominicale en l’Absence du Prêtre na ADAP), mitoriteny na mifampizara ny Teny, manara- maso sy mandrindra ny fanabeazam-pinoana, manentana ny vaomiera sy ny fifampitsimbinana, mitandrina ny soatoavin’ny Ankohonana. Efa nisy t@ andron’Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo ny ankohonan’ny mpino velona tsy misy pretra. Zava-nisy : Noroasin’ny mpanjaka tamin’ny fotoan’androny ny misiônera rehetra, fa nanelingelina ny fanjakany. Velona ihany anefa ny ankohonan’ny mpino na dia tsy nisy pretra nandritra ny 20 taona mahery aza. d). Mpiandraikitra ny Ankohonana (Bureau) : Birao : Acteurs, animateurs, coordinateurs pastoraux. Satria Rafi-pitantanana hampandroso sy hampiroboro ary hamelombelona ny finoan’ny mpino sy ny fankalazana azy. Satria sady ilaina no mahasoa ny Ankohonana , satria ivelomany. Amin’ny ankapobeny dia misy karazany roa ny Birao : Ahitana mpandrindra na Filoha (structurel) sy fiaraha-mitantana (direction collégiale). 2. Ny iraka (mission) : Tsy Fikambanana fotsiny, tsy « paroasy » ihany koa, ary tsy fianakavian’Andriamanitra irery ny Ankohonana , fa « Mpanompo » tokoa, mba hahasoa ny rehetra, ny olombelona sy ny manontolo. Tanjona : « Ankohonan’ny mpino » , fanamafisana ny firaisam-po iompanan’ny maha-Fianakaviana ny Ankohonana. Tsy maintsy mikaroka fomba hifanompoana ny Ankohonana ho famantarana mazava (signe visible). Ohatra amin’ny asa fanompoana : mifampitsimbina, manatsara, mampivoatra hatrany… Anjaran’ny mpino tsirairay sy ny Ankohonana manontolo anefa izany. Ary tsy ho tanteraka io raha tsy arahin’asa tsara ny finoana (Jk 2, 14-26). « Ny finoana dia sady fototra ifaharana no hery manosika ary mitari-dàlana ny Ankohonana manontolo ka ho lohalaharana @ fanompoana ny mpiara- belona » (Gabriel Navone). Ny Lalao olimpika (Jeux olympiques) : « Plus fort (mahery hatrany), plus vite (haingana hatrany), plus haut (avo hatrany ». Ho antsika : « Plus loin (lavitra kokoa), plus profond (lalindalina kokoa) » Ao anatin’ny « Fanetretena (Humilité) sy Fitiavana (Charité) » (St Augustin). Ny ivo ifaharan’ny fiainana sy ny fivelaran’ny Ankohonana dia : ny « fivoriana » na « fiangonana alahady » (Assemblée du dimanche ou Assemblée dominicale). a). Antony : Mahatsiaro ny Tompo nitsangan-ko velona ny mpino rehetra isan’alahady dia mivory na miangona. Sady maneho no manamafy ny maha- Eglizy sy ny maha- Fianakaviana ny Ankohonana ny fiangonana alahady. Toy ny tamin’ny andron’i Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo ihany, raha tsy azo atao ny Fankalazana ny Eokaristia (Messe) dia lafiny hafa no azo anomezana lanja bebe kokoa ny Andron’ny Tompo : Mandinika sy mifampizara ny Soratra Masina, Mikaroka izay tokony ho fiantraikany eo amin’ny fiainana andavanandro sy eo amin’ny fiaraha-monina, Manombana ny fizotran’ny fiainan’ny Ankohonana , Mifampintsimbina sy mifanentana ho fanamafisana ny firaisam-po aman-tsaina, Vao maika manamora sy manatsara ny fankalazana ny Andron’ny Eglizy alahady ireo… b). Eokaristia : Tokony manamafy ny maha-Fianakaviana iray ny mpiangona ny Fankalazana eokaristika. Mitondra vokatra araka ny tsirairay anefa izany. Ohatra, raha « mamonjy lamesa », « miangona », « manotrona » fotsiny, dia izay… ! d). Laharam-pahamehana : Fanamafisana ny maha-Fianakaviana sy ny maha-mpihavana ny Ankohonana ; Fahatsapan’ny tsirairay fa tsy ny Birao irery ihany no tompon’antoky ny Ankohonana ; Fiaraha-miantsoroka ny « iraka » sy ny andraikitra rehetra mipetraka amin’ny Ankohonana manontolo. II. ANDRON’NY TOMPO (Jour du Seigneur) Andro voalohany teo amin’ny jody (Fahariana). Andron’ny masoandro ho an’ny Rômana, Andro fahaefatra faha-Ntaolo… Alahady no andron’ny Tompo ho antsika kristiana. « Andro fety voalohany sy lehibe indrindra » ny Andron’ny Tompo
Made with FlippingBook
RkJQdWJsaXNoZXIy NTIwMDQ=