OlomBaovao N°120 (2019)
« TSY MATY MANOTA » 9 Septembre à Octobre 2019 Tantaran’I Trimofoloalina, tamin’ny andron’Andriamasinavalona, (taonjato faha- 17), hono no niavin’io fomba fitenenana io. Nikasa hanorina ny lapa teny Manjakamiadana hono ny mpanjaka, ka mila olona atao sorona eo amin’ny fanorenana izany. Natahotra sy nandositra avokoa ny olona, satria “mamy ny aina”. Trimofoloalina kosa tsy mba nandositra fa nanantona ny mpanjaka izy ary nanolotena atao sorona raha izany no mahasoa sy mahatsara ny fanaganana ny lapa soa Manjakamiadana. Talanjona noho izany fahafoizantena, herimpo sy fitiavan- tanidrazana izany ny mpanjaka ka tsy natao sorona izy fa ny sofiny no nisy nodidiana mba hikoriana ny rà ary io no rà nalatsaka teo amin’ny lafy efatran’ny fototra nanorenana ny lapa. Olon-kendry I Trimofoloalina ka rehefa nanontanian’ny mpanjaka izy izay tiany ho valin’izany, dia tsy mba ny voninahitra na ny vola aman-karena no nangatahiny fa ny hitsinjovana ny taranaka amam-parany. Nanomboka teo zany dia tsy mba nampisotroina “tangena” ny taranany raha sendra nisy ahiahy sy fitsarana ary navela ny heloka vitan’izy ireo raha sendra nisy izany. Izany hono no nahatonga io fitenana hoe “ tsy maty manota io “. Ankehitriny dia maro ireo “ tsy maty manota “ eo amin’ny firenena. Saingy izy ireny tsy mba olona be herimpo ka vonona ahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazany toa an’I Trimofoloalina; indrisy ny mifanohitra amin’izany aza no ataony : satria izy ireny no manabotry firenenana, izy ireny no miseho ambony nohon’ny ambony, ka manao ny danin’ny kibony fa tsy matahotra an’iza n’iza….. Ahitana azy ireny eo amin’ny lafim-piarahamonina rehetra : ambaratongam-pitondrana, ara-politika, ara-panjakana eny fa hatrany amin’ny mpitondra fivavahana aza… Izy ireny no “ tsy maty manota” hany ka “ ny vahoaka no maty tsy manota “! Ireny hoy ny Papa François no manabotry firenena, mahatonga ny tsy fitovian- tsaranga,fototry ny risoriso isankarazany ka miteraka izao fahantrana goavana mihatra amin-tsika Malagasy izao… Nahoana tokoa moa raha miezaka miaina indray ireo soa toavina Malagasy isika fa ny “fanahy no maha-olona; ny adala no tsy ambakaina, ny Zanahary no mahatahotra; ary tsy ny lohasaha mangina no jerena fa ilay eo antampon’ny loha mahita ny ao ampo tsy miloaka…” ! Manantena aho fa ny fitsidihan’ny Ray aman-dreny Papa François iny sy hafatra navelany mba hanova toen-tsaina, fomba sy fanao ka hiaina ao anatin’ny fanantena sy fiadanana tokoa ny vahoaka Malagasy ! Dia ho “tsy maty manota” eo anatrehan’Andriamanitra tokoa isika mianakavy, satria mino sy matoky fa be famindrampo Izy. Teny hono toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako mahita ny tsirony ! Teny atsipy amin’ny manam-panahy e … ! Le pape François s’en est pris à certaines pratiques qui aboutissent à « la culture du privilège et de l’exclusion ». Les richesses ne permettaient pas forcément de se rapprocher de Dieu, dit-il. Elles peuvent même devenir accablantes et étouffantes, aggravant l’égoïsme et l’utilisation des actes immoraux. Revenons à la source. Nos ancêtres nous ont légués des valeurs inaltérables… ! A boire sans modération. Etienne RAKOTOSON HANIM-PY Nanokatra adihevitra teto isika tamin’ny laharana nivoaka talohan’ity. Ny nitondrana ny dinika dia ny fiverenan’ny tononkiran’ny hiram -pirenena malagasy izay misy tsy mifandraika amin’ny zava-misy ka mila ampanarahana toetr’andro sy toerana araka izay azo atao. An’isan’izany ny hoe : « …ity Nosindrazanay ity. » Raha io dia tsy natao ho ventesina ivelan’i Madagasikara izany « ity » izany ka mety hahitsy. Mipetraka ny fanontaniana anio hoe : Inona no sakana voalohany sy goavana amin’ny fampandrosoana ? Valiny : Ny fahalovana . Ny « lo » dia enti -milaza toe -javatra simba ka mi fanohitra amin’ny toetrany tany am-piandohana. Amin’ny sehatra rehetra tsy mi sy anavahana dia mamoetra ny fahalovan’izay tsa ra. Mety lo ny nofo, mety simba ny voankazo, mety momoka ny voninkazo sy ny zavatra hafa maro. Fa lo eny ihany, satria zavatra fotsiny. Hoy kosa ny ohabolana latina iray manao hoe : « Corrup tio op timi pessima », izay midika amin’ny teny frantsay hoe : « La corruption de ce qu’il y a de meilleur est la pire » na « Ny fahalovan’izay tsara no tena ratsy. » Tsotra ny antony : raha ny toe-tsaina aman-toe-panahy no mety lo, satria zavatra ambony sy tsara indrindra, satria « ny fanahy no maha-olona » , dia iaraha-mahita ny fiantraikany : ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra. Vokatry ny fahalovana ihany koa ireto « toe-beta telo » ireto : ny fitiavan-tena, ny fialonana, ary ny fahatahorana. Mifaneraka ireo toetra ireo satria matahotra ny be fialonana ary mialona ny tia tena. Fehiny, « izay manoro lala-mahitsy , hoy ny Razana, mamindra aina ». Fiarovana sy fanafana ho an’ny taranaka ny fanabeazana voakaly atomboka dieny izao. Misy dia misy ihany koa ireo « vitsy an’isa » mikely aina amim- pahamarinana mila tohanana. Fa ny oha-pitondran-tena tsaran’ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra isan-tokony kosa dia efa fandrosoana . Père Juvence RAMANAMBITANA, a.a
Made with FlippingBook
RkJQdWJsaXNoZXIy NTIwMDQ=