Previous Page  6 / 16 Next Page
Information
Show Menu
Previous Page 6 / 16 Next Page
Page Background

4

OlomBaovao N°118

militaires forts mais plutôt des forces armées rendues fortes de par leur

unité et leur sens du devoir. Notre ennemi en nous a su diviser les

forces de l’ordre pour les dresser contre le peuple, donc contre la nation.

Jusqu’à ce jour le seul moyen de fortifier un État est la loi. Cette

dernière ne puise sa force que dans la pratique. Elle ne devient stable

que dans le temps. Elle n’est source d’apaisement que si elle est

impartialement édictée, respectée et améliorée. Comment puissions nous

croire à l’Etat de droit alors que nous transgressons chaque jour davantage la

foi en l’indépendance de la justice ? Cette dernière devrait être le rempart des

plus faibles et le garde fou pour les plus forts. La constitution est la bible

républicaine de la démocratie !

Si nous voulons aller de l’avant, le premier investissement à faire n’est autre

que le respect de la loi. Par ricochet et en faisant abstraction de toute forme

de mauvaises pressions, il va de soi que la parole donnée, l’engagement pris

devant le peuple doivent tenir lieu de LOI. Par ailleurs, ce qui va suivre est le

péché capital de nos politiques : MARCHER SUR LA TÊTE DU PEUPLE.

Chez nous le peuple craint systématiquement les représailles des dirigeants.

Ce n’est pas normal. Le dirigeant se sert et s’offre un banquet mirobolant

alors que le peuple ne mange pas à sa faim. Le politique passe

ostensiblement et avec fierté dans de très belles voitures devant le peuple qui

creuse les décharges publiques pour espérer trouver des miettes à mettre

sous la dent.

Doit-on laisser passer cela ?

Cela me rappelle Marie Antoinette. On lui a informé que le peuple avait faim

et ne mangeait plus que des pommes. En réponse elle disait : « qu’ils

s’achètent des brioches ».

À Madagascar, l’insulte envers le peuple n’a que trop duré. Et ne nous disons

pas que le fait de traficoter la constitution pour la tailler à l’avantage de celui

qui détient le pouvoir est du fait d’un pays étranger. Ne gavons pas notre

peuple de mensonge en insultant la communauté internationale quand notre

justice sort une décision qui respecte tout sauf le droit. A vrai dire, nous nous

prévalons de notre propre turpitude.

Quand nous sommes en crise, en grande partie c’est à cause de nous-mêmes.

Nous fabriquons nousmêmes notre bombe d’autodestruction. Celle-ci

n’attend plus que le détonateur(il peut venir l’intérieur comme de

l’extérieur). Le dirigeant se prend pour un dieu, l’opposition n’a d’autre

vision que de renverser et diaboliser son adversaire, la population se laisse

faire et se lamente lorsqu’elle a le président qu’elle mérite.

En fait, l’adversité politique devient chez nous comme une course vers la

médiocrité. On croirait que le palmarès revient à celui qui a réussi à faire le

plus de dégâts possible. Nos attitudes, qui que nous soyons, annihilent notre

patriotisme quand nous n’observons pas le sens du bien commun.

D’ailleurs, les termes patriotisme et souveraineté sont des concepts creux si

l’on se réfère aux actes.

Le patriotisme est devenu une morphine pour calmer la souffrance de nos

compatriotes et la souveraineté une adrénaline pour enjôler le peu de révolte

qui reste pour notre peuple.

Madagascar a de très beaux textes législatifs mais ceux-ci ont toujours sonné

creux. Nos vieilles pratiques irresponsables ont fait d’eux une arme de

progrès non exploitée.

J’ose donc rêver que tous les sujets de droit trouveront protection et respect

chez nous.

J’ose rêver que plus personne ne sera au dessus de la loi.

J’ose croire que pour le peuple malagasy le mal intérieur sera pansé et ses

belles cicatrices montreront aux générations à venir la leçon tirée du passé.

L’être humain est le seul capable de tout surmonter. Son histoire a montré

qu’il a su vaincre son ennemi intérieur quand il prend le temps de penser et

d’observer le bien commun.

Pour Madagasscar, la route est longue mais la stabilité est possible. Je

m’inspire de Socrates en me disant que le secret du changement est de

rassembler toutes nos forces, non pas pour combattre le vieux, mais, pour

construire ensemble quelque chose de nouveau.

Enfin, tâchons de ne pas abuser du silence des malagasy.

Quand le peuple ne dit rien, ça ne veut pas dire qu’il est d’accord ! Son

silence est un cri strident. Il faut être humble pour l’entendre !

Haja RAKOTOZAFY

FIAINAM-PIRENENA

NY MPIFIDY SY NY FIFIDIANANA

FILOHAM-PIRENENA

Maharary ny mponina ny tsy fandriam-pahalemana, ka tsy

maharototra firy ny olom-pirenena tokony hifidy ny hijery ny

anarany ao anaty lisitra, na hifidy izay ho filoham-pireneny ny 7

novambra. Zo sy adidy anefa izany, ka mifanaitra mba handray

andraikitra hanabe.

Nitombo ny biraom-pifidianana ao Madagasikara. Tsy toa ny teo aloha araka

izany, fa misy ireo vaovao. Noho ny tsy fandriam-pahalemana anefa, dia matory

an-tsaha ny olona, izany hoe miala ny tanàna. Ka mampanontany tena raha ho

tonga hifidy any amin’ny birao vaovao ny olona. Fa na amin’ireo renivohi-

paritany, izay be haino amanjery aza, dia tsikaritra ho tsy rototra amin’ny

fifidianana ny olona.

Ny fikarohana izay ho hanina anio no maharary azy. Midika izany fa tsy voajery

ny vahoaka, mba hisarihana sy hitaomana azy havitrika hifidy.

Marobe ny kandida

Rehefa mahita ny fihetsiketsehana ataon’ny kandida sasantsasany tato ho ato,

dia mitorajofo ny kianja. Hipoka olona. Mandrefy ny lazany ny mpanao politika.

Fa tsy izay maha feno kianja akory no hahazo ny seza. Satria misy amin’ireo

olona no hijery fety ny anton-diany. Maka mpankanto malaza manko ny

mpanao politika, ary misy aza manao hatramina fisarihana hahazoana loka.

Tonga avokoa na ny ankizy na ny tanora na ny lehibe. Koa eo anatrehan’izany,

firy no mpifidy tonga hihaino ny programan’ny candida ?

Ampahafirin’ny olona tokony hifidy no voasarika amin’ireny kifetifety ireny?

Ary raha alefa lavidavitra ny saina, firy amin’ny olona tokony hifidy no

voasoratra ao anaty lisimpifidianana ? Firy amin’ny tanora tonga taona no

mahita ny anarany ao? Ankoatra ny toerana tratran’ny mpanao fampielezan-

kevitra, ahoana koa ny amin’ny toera-mangina sy tanàna lavitra andriana?

Betsaka ny fanontaniana velona raha mahita ny zava-misy.

Misy toerana hita ho hihazakazahan’ny mpanao politika hamoriana olona. Ary

efa voafariparitra avokoa izao ny isan-tanàna sy faritra. Ary ampiasaina ny

maha zanaky ny faritra. Hoy ity mpanao gazety iray maneho ny heviny :

« Mananjary nihazakazahan’i Anthelme Ramparany. Ho avy koa Maharante

Jean de Dieu any Toliara. Asa moa raha mpifaninana aminy i Siteny. I

Voninahitsy, tsy heno loatra, fa mety hiteny koa hoe « anay i Melaky ». I Tabera

dia hifaninana amin’Andriamorasata any Atsimo Atsinanana. Ny grand-Sud

moa teraka tsy foy maso akory. Dia voazarazara toy izany i Gasikara. Le

Triangle du Nord e ! La Capitale e ! …Ratsiraka mianakavy moa dia mety

mihevitra fa azy i Toamasina. Nitsapa rano teny amin’ny Coliseum fotsiny ny

zana-kavana Roland Ratsiraka. Dia mipoitra anaty adi-hevitra politika, tsy ny

fiaviana ara-paritra ihany, fa eo koa ny firazanana, ny fomban-drazana, ny

finoana, ny resa-poko. Ireny no savorovoro mahasaro-takarina ny zava-misy

marina iainan’ny firenena ».

Antontanisa

Santionana tarehimarika tsotsotra ireto. Hifampizarana amintsika. Raha

tombanana ny zava-misy, dia zara raha mahatratra ny 15%-n’ny mponina

rehetra ireo voasoratra anarana ankapobeny. Antananarivo no be indrindra :

33%, izany hoe, tsy antsasaky ny mponina akory no voasoratra. 8.200.000 eo ho

eo ny mponina amin’ny faritany. Ary 3.300.000 eo ho eo ny voasoratra.

Antsiranana zara raha mahatratra 7% ny voasoratra, izany hoe, olona 703.000

amin’ny mponina 7.260.000 eo ho eo. Fianarantsoa 17%, Mahajanga 11%,

Toamasina 15%, Toliary 14%. Ireo no mitotaly 9.700.500 any ho any. Araka ny

tarehimariky ny CENI ireo. Tsy mahagaga aloha raha ny Faritanin’Antananarivo

no tena hifampisintonana, satria ny antsasaky ny voasoratra anarana dia ao

avokoa, araka ny tarehimarika. Mbola ho latsaka be amin’ireo tarehimarika ireo

anefa ny olona tonga hifidy, raha ny fiainam-piarahamonina any rehetra any,

toa ny tsy fandriam-pahalemana izay tsy mampipetraka ny olona eo an-tanàna.

Ny Vokany, ho ampahana demokirasia no hiainana eto amin’ity Nosy ity.

Demokirasian’ny vitsy an’isa, satria tsy izay rehetra tokony haneho hevitra no

maneho hevitra amin’ny alalan’ny fifidianana. Tokony hanabe ny mpifidy izay

tokony hanao izany, mba hahay hifidy fa tsy hifidy fotsiny ihany. Hifanohitra

ihany koa amin’ny maha be ny kandida, izay 36, ny isan’ny mpifidy, raha vitsy

no ho tonga hanao ny adidiny. Ny andrandrain’ny olom-pirenena, dia mba hisy

fiovana tsara ny fiainany, handry fahalemana ny taniny, ary ho afaka hamaly

ireo filàna fototry ny fiainana izy. Fa tsy fantatra kosa raha azo anantenana izany

ny politika eto amintsika.

R. H.